Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainam-piangonana: hanetriketrika ny jobily faha-50 taon’ny FJKM

Fiainam-piangonana: hanetriketrika ny jobily faha-50 taon’ny FJKM

 

Ho ivon’ny fankalazana ny faha-200 taona nidiran’ny misionera (LMS) sy ny faha-50  taon’ny FJKM ny amin’izao herinandro izao. Hotanterahina any Toamasina, hanomboka ny  12 ka hatramin’ny 19 aogositra, izany.

Anisan’ny fandaharam-potoana nambaran’ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny lafiny fivavahana, ny kolontsaina, ny fanangonam-bola amin’ny tsangambaton’izany jobily roa sosona izany. Hisy ny fotoam-bavaka isa-maraina arahina asa sy fampaherezana. Mitohy amin’ny vela-kevitra momba ny fijoroana  vavolombelona tanterahin’ny fiangonana eo amin’ny fiarahamonina izany, ny hariva. Manampy ireo ny fitokanana ny tsangambato, ny fampirantiana sary sy soratra ny tantaran’ny LMS sy ny FJKM.

Tsangambaton’ny jobily…

Ny fitsidihana ireo toerana manan-tantara any Antetezampasika , “Beach mission”. Antsan-kira sy teatra momba ny tantaran’ny LMS.  Ny kolontsaina maneho ny kolontsain’iny faritra iny.

Tsiahivina fa anisan’ny tsangambaton’izao jobily izao ny trano sekoly iray lehibe misy rihana iray, ahitana efitrano 10, any Toamasina.  Ho an’ny eto Antananarivo kosa, tranobe misy rihana telo, misy efitrano fianarana sy efitra ho an’ny mpampianatra ary efitrano iray hafa, malalaka.  “Mahazaka mpianatra hatrany amin’ny 200 izany ahafahan’ny FJKM manatratra ny vina hamoaka mpitandrina  miisa 100 isan-taona”, hoy ihany ireo tompon’andraikitra mpikarakara izao jobily izao. Notsiahivin’izy ireo fa efa an-dalam-pahavitana izany tsangambato izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.