Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atrikasa « Antahkarana »: hatsaraina kokoa ny vokatra

Atrikasa « Antahkarana »: hatsaraina kokoa ny vokatra

 

Hotanterahina ny 3 hatramin’ny 8 septambra izao, eny Ambanidia, ny atrikasa « Antahkarana », irahana amin’i Volahasiniaina Linda, tovovavy mpitendry zavamaneno samihafa, efa tsy zovina amin’ny maro intsony. Andiany fahavalo ity hotanterahina, afaka iray volana ity.

Raha tsiahivina, miompana tanteraka amin’ny resaka gadona na « rythme » ny fianarana homena ireo rehetra liana amin’izany. Maimaimpoana io. Ireo rehetra ireo, rahateo no mampiavaka ity atrikasa noforonin’i Volahasiniaina Linda, ity.

Hatramin’izay, noraisiny avokoa ireo rehetra maniry ny hampitombo ny fahalalany mikasika ny gadona. Nanomboka tamin’ny taon-dasa, noferana ho 20 ihany izany. Amin’ity taona ity aza, ho 15 ihany ny isan’ny handray anjara, araka ny nambaran’ny mpikarakara.Ny antony, « noezahina ho tsara kokoa noho ny teo aloha ny vokatra, izany hoe, ny fahaizana azon’ny mpandray anjara tsirairay, ao anatin’ny atrikasa », hoy i Volahasiniaina Linda.

Toy ny tamin’ny taon-dasa, harahi-maso ny fivoaran’ny mpiofana. Haharitra herinandro ny fiofanana ka toy ny mahazatra, haneho ny vokatry ny fahalalana azony ny tsirairay, aorian’izany. Tanjon’ny fiofanana ny ahafahan’ny ankizy sy ny tanora mampivelatra ny talentany sy mitrandraka gadona samihafa, saingy tsy miala amin’ny fototra : ny maha Malagasy.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.