Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alefa Barea: hivarotra fanamiana ho an’ny mpanohana

Alefa Barea: hivarotra fanamiana ho an’ny mpanohana

 

Mitady hevitra hatrany ny fikambanana Alefa Barea, tarihin-dRamasimanana Lova, eo amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrehana ireo lalao fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2019). Akaiky indrindra amin’izany ny fihaonana amin’i Sénégal, hatao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny alahady 9 septambra ho avy izao. Mialoha io fotoana io, nanapa-kevitra ny fikambanana, hivarotra fanamiana ho an’ireo mpanohana. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Kudeta Anosy, izany ny alin’ny alakamisy lasa teo. Nambaran-dRaharison Ranja, tomponandraikitry ny serasera, fa fanombohana ihany ny fanamiana fa hitohy amin’ny kasikety sy fonontenda ary zavatra maro hafa izany, izay mbola hiantsoana ireo malala-tanana. Nisy ny filatroana nataon’ireo mpikambana, naneho ireo fanamiana, nahitana zazakely, tovovavy sy tovolahy.

Natolotra tamin’io fotoana io ihany koa ny hira fanevan’ny Alefa Barea sy ny hiaka hatao, hanohanana ny Barea de Madagascar, amin’ireo lalao rehetra hatrehiny. Marihina fa efa nitsangana ny “club des supporters”-n’ny Barea izay efa misy mpikambana 400 mianadahy mianaka. Tsiahivina fa anisan’ny fikambanana nitady sy nikarakara ireo lalao firahalahiana, nataon’ny Barea tany ivelany, ny Alefa Barea. Teo koa ny Barea M’zara sy ny Barea M’foot, hetsika nanomezana fiofanana ho an’ireo ankizy, tezaina amin’ireny sekolin’ny baolina kitra ireny.

Manentana ireo te hiditra ho mpikambana ao amin’ny Alefa Barea ny tomponandraikitra fa mbola misokatra ny fandraisana ireo liana.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.