Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vavatenina: tsy mbola voasambotra ny nandoro ny Jirama

Vavatenina: tsy mbola voasambotra ny nandoro ny Jirama

 

 Taorian’ny fandoran’ny fokonolona ao Vavatenina ny biraon’ny Jirama any an-toerana nandritra ny lalao famaranana ny baolina kitra maneran-tany, ny 15 jolay 2018 lasa teo, nanao fanambarana tamin’ny  mpanao gazety ny tale iraisam-paritry ny Jirama, i Toto Jean de Dieu, fa tsy maintsy hametraka fitoriana fa tsy ekena ny fandorana sy fanimbana ny fananam-panjakana toy izao. “Fandorana efa nomanina rahateo iny satria efa iray na roa volana mialoha dia efa nisy ny trakta fandrahonana fandorana tranon’ny mpiasan’ny Jirama ao Vavatenina ka izao notontosain’izy ireo izao”, hoy hatrany ny tale iraisam-paritra. Nilaza ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Jirama ity fa efa fantatra ireo olona enina atidoha nikotrika ny fandorana sy ny fanimbana ny fitaovana sy tranom-panjakana ary efa tafapetraka ihany koa ny fitoriana eo anivon’ny zandarimaria ao Vavatenina, saingy tsy mbola nisy ny fisamborana na fiantsoana azy ireo teny amin’ny borigadin’ny zandary. Raha ny loharanom-baovao hatrany, tsy nijanona teo ny mpitory amin’ity raharaha ity fa mbola nanamafy izany eny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany hanaovana fanadihadiana sy hisamborana ireto olona tompon’antoka ireto. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity.

Sajo

Les commentaires sont fermées.