Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Microcred – Mahajanga: nahazo fahafahana vonjimaika ny efatra amin’ireo mpanafika

Microcred – Mahajanga: nahazo fahafahana vonjimaika ny efatra amin’ireo mpanafika

 

Mitaintaina sahady ny  mponina ao Mahajanga satria nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana ny banky Microcred Mahajanga. Miraviravy tanana, noho izany, ny mpitandro filaminana…

Io sahady! Nahazo fahafahana vonjimaika, ny zoma lasa teo, ny efatra amin’ireo jiolahy atidoha nikotrika ny fanafihana ny banky Microcred ao Mahajanga. Nahazo fahafahana vonjimaika izy ireo taorian’ny fotoam-pitsarana ity raharaha ity tamin’io fotoana io. Nohamafisin’ny polisy ao Mahajanga anefa fa isan’ireo nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana ny banky Microcred ao Mahajanga ireto efa-dahy ireto, kanjo izao nahazo fahafahana vonjimaika izao sahady. Manoloana izao raharaha izao, miraviravy tanana ny mpitandro filaminana. Miasa mafy amin’ny fanenjehana ireo jiolahy kanefa izao mahazo fahafahana vonjimaika izao sahady. Very maina, araka izany, ny ezaka ataon’ny polisy amin’ny raharaha tahaka izao. Tsiahivina fa tratra niaraka tamin’ireto andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana ireto ny fitaovam-piadiana mahery vaika niaraka tamin’ny ambim-bola nangalarin’izy ireo tao amin’ny banky. Maty voatifitry ny polisy nandritra ny fifandonana ny jiolahy roa satria nanohitra nandritra ny fisamborana azy ireo. Araka ny fanazavan’ny polisy, jiolahy raindahiny ary efa mpamerin-keloka ry zalahy ireto, saingy votsotra hatrany ry zalahy rehefa tonga eny anivon’ny fitsarana. Somary nilamindamina kely ny tanànan’i Mahajanga taorian’ny nahasamborana ireto tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto. Manahy sahady anefa ny mponina amin’ny mety hisian’ny valifaty ataon’ireto jiolahy ireto amin’izao fahazoan’izy ireo fahafahana vonjimaika izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.