
Na tsy feno hipoka aza ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Imahamasina, azo lazaina fa nahatanteraka ny fanambiny ny mpikarakara. Nanjakan’ny feon-gitara miavaka tokoa ny teny an-toerana. Tsapa ihany koa ilay fisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo samy mpitendry gitara sy eo amin’ny samy mpihira. Na iraisana aza mantsy ny tena an-tsehatra, samy manana ny fomba fitendriny gitara sy ny manavanana azy ry Tselonina, i Rija Ramanantoanina, i Davis, sns. Toraka izany koa ny eo amin’ny mpihira.
… Endrika fampisehoana an-tsehatra kanto tokoa ny tahaka itony « Gilitabe » itony, saingy tsy mbola tena tafapaka any amin’ny mpitia zavakanto eto an-toerana ny « tsirony ». Tsy mbola zatra loatra ny mijery seho ahitana rodoben-javamaneno iray karazana (samy gitara ohatra) ny Malagasy.
Mila atao matetika eto an-toerana, araka izay tratra, ny fampisehoana ahitana andian-javamaneno miaraka (na tsy mbola tena marobe aza) satria anisan’ny mitondra ainga vao eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy izany.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.