Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Irondro Nivadika ilay taksiborosy nitondra mpianatra

Irondro  Nivadika ilay taksiborosy nitondra mpianatra

 

 Naratra tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny RN 25, afakomaly, ny mpianatra vitsivitsy. Taksiborosy Sprinter iray nitondra mpianatra ao amin’ny sekoly tsy miankina iray ao Vohipeno avy nanao “voyage d’étude” tany Toliara. Tra-doza tampoka ilay taksiborosy nitondra ireo mpianatra ka nifatratra tamin’ny tranon’olona iray, teo amin’ny 10 km mialoha ny hiditra an’Irondro. Tsy fantatra mazava na olana teknika teo amin’ny fiara na havizanana teo amin’ny mpamily no nahatonga ny loza fa namantana avy hatrany tao amin’ilay tranon’olona manamorona ny arabe ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy fa naratra vokatry ny dona nahazo azy ireo ny mpianatra vitsivitsy. Potika ihany koa ny ampahany tamin’ilay trano notrongisin’ilay taksiborosy. Tonga nanao fanadihadiana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.