
“Nahatonga ny fananganana ny fikambanana “Action pour la nouvelle generation” (ANG) ny fahitana ny tetikasa sy vina IEM entin’ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina”, hoy ny filohan’ny sampana vehivavy eo anivon’ny fikambanana, Randrianjaka Odile. Napetraka tamin’ny fomba ofisialy teny Anosizato ny, faran’ny herinandro teo ny ANG. Manodidina ny 500 teo ho eo ireo nanotrona izany. Nomarihiny fa anisan’ny antony nananganana ny fikambanana ny miralenta.
“65% ny taham-pandraisan’anjaran’ny vehivavy tamin’ny fifidianana natao teto farany. Ady hatrehina ny hampandraisana anjara ny vehivavy. Eo koa ireo asa sosialy mahazatra. Hitohy hatrany izany fa tsy amin’izao andron’ny fifidianana izao ihany“, hoy ihany izy. Anisan’ny jerena koa ny tombontsoan’ny tsirairay ao anatin’ny fikambanana. Maro anisa eto amin’ny firenena ny vehivavy ka tsy tokony hatao ambanin-javatra, araka ny nambarany ihany. “Manantena ny fiaraha-mientan’ny rehetra manoloana izany isika”, hoy izy.
Tsiahivina fa fikambanana mpanao asa sosialy, manampy ny mpiara-belona rehetra tsy ankanavaka, ny ANG ary efa ahitana azy ny faritra maro.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.