Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa « Fier-Mada »: hijerena lalam-barotra ny tantsaha

Fiaraha-miasa « Fier-Mada »: hijerena lalam-barotra ny tantsaha

 

 Hahazo tohana. Anisan’ny nisongadina tamin’ny hetsika “Fier-Mada”, notanterahina tetsy Andohatapenaka nifarana omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny tantsaha sy ny mpandraharaha. Anisan’ny nisongadina amin’izany ny fijerena lalam-barotra eto anatiny sy any ivelany, ho an’ny vokatr’ireo tantsaha, mivondrona anaty kaoperativa na fikambanana. Eo koa ny fanohanana azy ireo eo amin’ny fampitaovana. Ny lafiny fanofanana maimaimpoana ho an’ny tantsaha. Anisan’ny nivoitra koa ny hialana amin’ireo mpanelanelana sy ny mpijirika ny vokatry ny fikambanana na kaoperativa, tsy hahafaty antoka azy ireo.

Na eo aza anefa izany, namoaka ny hetahetany ireo tantsaha ny amin’ny tokony hijerena azy ireo amin’ny lafiny rehetra. Ohatra, ny bankin’ny tantsaha…

Tsiahivina fa vita sonia tamin’izao “Fier-Mada” izao izany fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Guanomad, tantanin-dRajaonary Eric sy ny tantsaha izao.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.