Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainana antoko: niala tsy ho HVM intsony koa Rafidimanana Narson

Fiainana antoko: niala tsy ho HVM intsony koa Rafidimanana Narson

 

 Miala an-daharana tsikelikely. “Efa tsy olon’ny antoko HVM intsony aho ary koa tsy ho

kandidà filoham-pirenena. Hiezaka hanohy ny fanaovana asa soa sy sosialy nahazatra ny ray aman-dreninay hatramin’ izay aho”, hoy ny minisitra teo aloha, Rafidimanana Narson, teto Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Nampahafantariny tamin’izany ny fijoroan’ny fikambanana tarihiny, Diaraiky, na efa nitsangana fotoana naharitra aza. Anisan’ny asa soa efa nataon’izany fikambanana izany ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra. Teo koa ny fanarenana ny trano sekoly simba ao Ambolomadinika sy ny EPP 1 904 Tanambao. Manampy izany ny nandraisany anjara mavitrika tamin’ny fikarakarana ny fandraisana ny kardinaly Tsarahazana Desiré teto Toamasina sy tao Fenoarivo Atsinanana farany teo. Tsiahivina fa efa niala tsy ho HVM  intsony koa ny minisitra teo aloha, Rabary Paul.

Sajo.

Les commentaires sont fermées.