Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atletisma – «Afrique 2018»: nihintsana i Rija Gardiner

Atletisma – «Afrique 2018»: nihintsana i Rija Gardiner

 

 Nihintsana, teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, i Rija Gardiner, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja atletisma. Fihaonana, tanterahina any Asaba, Nizeria. Nihazakazaka ny halavirana 400 m ny tovolahy, saingy laharana fahadimy tao anatin’ny sokajy nisy azy. Filaharana tsy ampy niakarany tamin’ny dingana manaraka, noho izany, tsy afaka niatrika akory ny manasa-dalana i Rija Gardiner.

Niatrika ny famaranana, teo amin’io halavirana io, ihany kosa Razanamalala Olga, omaly alahady, saingy hatramin’ny fotoana nanoratana, tsy mbola voaray ny vokatra. Raha tsiahivina, laharana fahatelo i Olga, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona, ka nahafahany niatrika izao famaranana izao.

Marihina fa tena mampitaraina ireo firenena mandray anjara any amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity ny kitoatoa eo amin’ny fikarakarana ataon-dry zareo mpampiantrano.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.