Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andoharanofotsy: matin’ny lozam-pifamoivoizana Ratefinarivo Vonjy

Andoharanofotsy: matin’ny lozam-pifamoivoizana Ratefinarivo Vonjy

 

Matin’ny lozam-pifamoivoizana, teny Andoharanofotsy, ny asabotsy vao maraina teo, Ratefinarivo Vonjy, mpiasa ao amin’ny Imprimerie Niag Antanimena. Handeha hody any Mandrimena izy tamin’io fotoana io no nindaosin’ny fahafatesana tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Araka ny fanazavan’ny fianakaviany, nisy fiara iray nirimorimo nandeha mafy avy any Andoharanofotsy nifanena taminy (nitondra moto i Vonjy tamin’io fotoana io) ka nifaoka azy niaraka tamin’ny moto. Nambaran’ny fianakaviany hatrany fa mamo ny mpamilin’ilay fiara ary nikasa hitsoaka, saingy nisy olana teknika ny fiara ka tsy afa-nandeha intsony. Vokany, maty tsy tra-drano i Vonjy, tapatapaka sy feno ratra ny vatany, niongotra ihany koa ny rantsan-tanany, potipotika tsy noraisina ny moto nentiny. Lasan’ireo jiolahy nanararao-paty koa ny fitaovana tao anaty sakaosiny. Nampandre avy hatrany ny fianakaviany eny Mandrimena sy nampilaza tamin’ny zandary ny olona nahita ny loza. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny fianakavian’ny maty teny an-toerana no nahitan’izy ireo tavoahangina toaka tao anatin’ilay fiara namoa-doza, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Tonga teny an-toerana ny fianakavian’ilay mpamily nahavanon-doza niaraka tamin’ny zandary. Nohamafisin’ny fianakavian’ny maty fa nosoloina olon-kafa fa tsy ilay mpamily nitondra ilay fiara ny naseho azy ireo tamin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Nafindran’izy ireo fiara hafa kosa ilay mpamily mamo sy tompon’antoka tamin’ny loza. Nentina teny amin’ny biraon’ny zandary ilay lehilahy nasolo ilay tena tompon’antoka tamin’ny loza. Manaraka akaiky ity raharaha ity ny fianakavian’ilay niharam-boina ary tsy hanaiky hatramin’ny farany na eo aza ny fandrahonana nataon’ny fianakavian’ilay mpamily. Nilaza ny fianakavian’ny maty fa norahonan’ny rain’ilay tovolahy nahavanon-doza.

J.C

Les commentaires sont fermées.