
Araka ny fantatra, hotanterahina ny volana novambra ho avy izao ny fifidianana izay hitantana ny fikambanana komitim-pirenena olympika afrikanina (Acnoa). Niala teo amin’ny toerana naha filoha azy mantsy ilay Ivoarianina, i Lassana Palenfo, nanambara izany tamin’ny fivoriamben’ny fikambanana, natao tany Alzeria, nandritra ny « Lalao afrikanina ho an’ny tanora » (JAJ 2018).
Nisahana vonjimaika io andraikitra io ilay teratany alzerianina, i Mustapha Berraf, filoha lefitry ny Acnoa. Araka izany, hatao any Tokyo, mandritra ny fivoriamben’ny komitim-pirenena olympika (Anco), ny fivoriambe hanatontosana ny fifidianana.
Raha tsiahivina, lany ho filohan’ny Acnoa, nandritra ny fivoriambe, natao tany Djibouti, ny volana mey tamin’ny taon-dasa, i Lassana Palenfo. Marihina fa anisan’ireo lany hitana ny toeran’ny filoha lefitra fahatelo, amin’ity fikambanana ity, ny filohan’ny komity olympika maorisianina (Com), i Philippe Hao Thyn Voon.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.