Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

UCTU, RMDC, Mouvement des citoyens: hanao hetsika noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika

UCTU, RMDC, Mouvement des citoyens: hanao hetsika noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika

 

Manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsilika, saika ho isam-bolana, nanapa-kevitra ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa RMDC sy ny Mouvement des citoyens contre l’inflation ary ny fikambanan’ny mpitatitra ao anatin’ny UCTU fa hanao hetsika ho fanehoana firaisan-kina ho fanoherana izany. Voalaza fa hanao fitokonana manolana ny gara eny Soarano izy ireo, anio asabotsy, itakiana amin’ny fanjakana ny fampidinana ny vidin-tsolika sy ijerana manokana ny fitaterana amin’ny ankapobeny.

Tsy ho zakan’ny vahoaka ny saran-dalana na 500 Ar fotsiny aza ny fisondrotana ka any amin’ny vidin-tsolika no vahaolana. Ny UCTU kosa, manana kaoperativa mpikambana 54, hanao afisy isaky ny fiara, hiantso ny tomponandraikitra hampidina ny vidin-tsolika. Nandritra ny andro voalohany nampiakaran’ny zotra fito ao anatin’ny FMA ny saran-dalana ho 500 Ar, nanao hetsika nitondra soratra teny amin’ny fiantsonan’ny taxi 194 teny Mausolée ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa nanambara fa tsy ho zakan’ny daholobe ny fisondrotan’ny saran-dalana.

Tsiahivina fa vao ny fiandohan’ity volana aogositra ity no nisian’ny fiakaran’ny vidin-tsolika farany. 4 100 Ar ny lasantsy raha 3 582 Ar ny gazoala. 50 Ar ny fisondrotana hita tamin’izany.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.