Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sempama Nosy: “Tsy hanakorontana ny fanadinana izahay”

Sempama Nosy: “Tsy hanakorontana ny fanadinana izahay”

 

Tsy hanakorontana ny fizotry ny fanadinam-panjakana rehetra ny mpampianatra mpikambana ao amin’ny Sempama Nosy, araka ny fanambarana nataon’ny filohany, Ratolojanahary Arsène, omaly. Nangataka fanemorana ny datin’ny fanadinana nefa izy ireo satria efa antomotra avokoa ny fanadinana CEPE sy BEPC ary naharitra ny fiatoana, indrindra ho an’ny kilasy hiatrika fanadinana. Manoloana ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazana fa «  tsy azo ahemotra ny datin’ny fanadinana », nilaza ny tsy handray anjara amin’ny fampandehanana izany fanadinana izany, izy ireo. Tsy hiverina hampianatra ihany koa satria tsy mbola mahafam-po ny fitakiana samihafa. Tsy tompon’antoka amin’ny fanadinana hatao eo izy ireo fa ho mpitazana fotsiny koa. Tsy mitsahatra ny tolona fa mitohy ary hanao fanehoan-kevitra tsy tapaka, izy ireo. Miverina eny an-kianja eny amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana indray hanohy ny tolona.

Ho an’ny any amin’ny faritra, anjaran’ny mpandrindra ny mandamina ny hetsika atao.

Ny ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana efa nanome toky ny ray aman-dreny sy ny mpiadina fa vonona ary ampy ny isan’ny olona hanatanteraka ny fanadinana ka tsy misy ny ahina. Hilamina ihany koa ny fizotry ny fanadinana satria tsy hamboly korontana ireo tsy mahatsapa fa tsy nahafa-po ny valmin’ny fitakiana. Ny ankamaroan’ny fampianarana efa niverina avokoa.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.