Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sambava: navesatra loatra, latsaka tambany tetezana ilay kamiao

Sambava: navesatra loatra, latsaka tambany tetezana ilay kamiao

 

Kamiao iray nitondra fasika latsaka tambany tetezana tany Tanambao Daoud Sambava, omaly tolakandro. Vokatr’izany, naratra ny olona telo tao anatiny, tanatin’izany ny mpamily. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy. Araka ny voalaza, mety ho vokatry ny vesatra tafahoatra tamin’ity kamiao ity no nahatonga ny loza. Niala lalana ilay fiara ary nivarina tany ambany tetezana. Ilay tetezana antsoina hoe Andranojoby rahateo fantatra fa efa ratsy ihany. Ity faritra ity izay malaza amin’ny famokarana lavanila, kanefa tsy misy ny fikarakarana. Tapaka naharitra ora maro mihitsy ny lalana tany an-toerana. Tonga nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Fiara nitondra manampahefana nifaoka ankizy roa

Nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa tany Farafangana. Fiarana manam-pahefana handeha hitsena ny filoham-pirenena, nifaoka ankizy roa, naratra mafy izy ireo. Voalaza fa nandeha mafy ireo fiara, nandona zaza. Tsy nijanona anefa ireo na teo aza ny fahavoazan’ireo zaza ireo. Na izany aza, hitan’ny olona ny zava-nitranga, ary fantatra ny fiara nandona azy. Nisy ihany ny fandraisana andraikitra, noho izany, ka ny fanjakana no hiantoka ny fitsaboana rehetra.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.