Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Amboaran’ny filoha 2018»: hahemotra ireo lalao manasa-dalana

 

Na efa voalahatra, hotanterahina rahampitso alahady 5 aogositra, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina aza ny lalao manasa-dalana, hiadiana ny «Amboaran’ny filoha», taranja rugby, voatery nahemotra amin’ny fotoana manaraka izany. Ny tsy fahazoana ny kianja ny anton’izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby. Voalaza mantsy fa hisy fihetsiketsehana hafa hotontosaina eo amin’io fotodrafitrasa io ka tsy maintsy nofoanana ny lalao.

Misy mahatsara azy ihany izao fihemorana izao, satria afaka miomana tsara ireo klioba efatra hiatrika izany. Raha tsiahivina ny fandaharam-potoana amin’ireo fihaonana ankatoky ny famarana ireo, ny FTBA Andohatapenaka hifandona amin’ny Savony (STM) ary ny Cosfa (Bebaoty) kosa hifanazava amin’ny FTM Manjakaray (Dakar). Ity lalao farany ity, izay famerenana ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018. Amin’ity, hanala vela ny Bebaoty. Andrasana araka izany ny daty mety hanatanterahina indray, ity fihaonana, ity.

Tsiahivina fa efa 58 taona ny nisian’ny «Amboaran’ny filoha», eo amin’ny taranja rugby ary efa fanao isan-taona, izany. Lalao mamarana ny taom-pilalaovana ho an’ny Malagasy rugby, ihany koa.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.