Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jean Nirina R. : “Tsy misy porofo ny fitoriana ahy…”

Jean Nirina R. : “Tsy misy porofo ny fitoriana ahy…”

 

 « Manoloana ny fitoriana ahy teny amin’ny zandary Ankadilalana, tsy misy porofo na dia kely aza, fitoriana tsy fanta-piaviana ary tsy misy sonia fa natao miendrika tracte fotsiny.  Ireo zava-misy ny taona 2014 no nanaovana fanadihadiana mahakasika ny projet exode urbain sy ny fitantanam-pirenena”, hoy ny filohan’ny antoko politika MSV, Rafanomezantsoa Jean Nirina, omaly nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety momba ity raharaha fitoriana azy ity. Voalaza ao anatin’ilay fitoriana fa hoe nahazo famatsiam-bola manokana avy any ivelany izy ka nohitsiny, omaly fa latsakemboky ny fikambanana Hafari Malagasy no entin’izy ireo miasa fa tsy araka ny fieritreretan’ny maro azy.

“Momba ny filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena, tsy tratra ny daty 20 aogositra 2018 napetraky ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) ho fanaterana ny antontan-taratasy satria hatreto, tsy mbola nahazo ny taratasy manamarina ny fitsanganan’ny antoko politika mijoro ara-dalàna ary tsy manana olom-boafidy miisa 150 isa voafidy izahay », hoy izy. Ao anatin’ny fitadiavam-bahaolana ny antoko politika MSV manoloana izany ary tsy ho anisan’ireo kandidà hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena. Noho ny fametrahana ny fototra isam-paritra amin’ny alalan’ny rafitry ny fokonolona, hisy ny fitetezam-paritra hanatanterahana ny vina efa napetraky ny MSV hatramin’izay. Fametrahana ny rafitry ny fokonolona sy ny fifidianana sefom-pokontany. Azo antoka fa handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka izahay ary mikendry ny maro an’isa ary haka fahefana, araka ny voalazan’ny article 54 lalampanorenana hanendry ny praiminisitra.

J.C

Les commentaires sont fermées.