Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanohana an-dRajoelina ny fikambanana Lafatra

Hanohana an-dRajoelina ny fikambanana Lafatra

Fikambanana hafa indray koa. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Lalana fampandrosoana ny  tanindrazana (Lafatra) fa resy lahatra amin’ny kandidà Rajoelina, amin’izao fifidianana filoham-pirenena izao. “Niofana  tany ivelany hahafahany mitondra vina hampandrosoana  ny firenena ny filoha Rajoelina ary voarafitra ao amin’ny IEM  izany. Vitany sy tanterany avokoa  ny nampanantenainy. Mino izahay fa ho  tahaka  izany koa ny  IEM sy ny fiaraha-miasany aminay manoloana ny  traikefanay sy ireo fotodrafitrasa maro efa voaomanay”, hoy izy ireo tetsy Anosy, omaly. Nanterin’ny Lafatra fa kandidà manana vina  sy fomba fijery amin’izy ireo ny mpanorina ny  TGV.

Tsy azo atao tery vay manta ny fanorenana  ifotony

Mihaino sy vonona hiara-kiasa ary koa mahafantatra ny olan’ny fiainam-bahoaka, araka ny fanambarana  ihany. “Hanome aina vao  amin’ny fanampiana sy fanohanana ny tantsaha hampiakarana ny harinkarenan’izy ireo”,  hoy ihany ny Lafatra.

Momba ny  raharaham-pirenena kosa, nohitsin’izy ireo fa  tokony ho laharam-pahamehana ny fifidianana filoham-pirenena.  Tsy azo atao tery vay manta koa ny  fanorenana  ifotony.  “Tokony ho vina  hoentin’ny  kandidà amin’ny fifidianana  filoham-pirenena izany”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.