Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball –IHF Trophy: hidona voalohany amin’ny Malagasy ny Roandey

 

Tafiditra ao anaty sokajy maozatra ny ekipam-pirenena malagasy, eo amin’ny fiadiana ny IHT Trophy, taranja handball. Fihaonana, hotanterahina any Roandà, ny 8 ka hatramin’ny 12 aogositra ho avy izao. Tafaraka amin’ny mpampiantrano mantsy ny Malagasy, izay hifandona aminy voalohany.

Ankoatra izay, hifampitana amin-dry zareo Senegaley indray ny ekipan’Andriamiharinosy Tillo sy i Koko Jacquis, eo amin’ny andro faharoa. Andrarezina avokoa ireo hifanandrina amin’ny Malagasy ireo ka mila miady mafy. Hanana tombony ry zareo Roandey, satria hilalao eo amin’ny kianjany ary manoloana ny mpijery azy ireo. Ny senegaly indray, ekipa manana traikefa satria saika tafiditra ao anatin’ireo efatra voalohany hatrany.

Mila mahazo fandresena iray araka izany ny ekipam-pirenena malagasy, eo amin’ireo fihaonana roa hatrehiny ireo mba hiakarana amin’ny lalao manasa-dalana.

Marihina fa misy mpilalao efatra vaovao nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, manana halavana sy ny fahaiza-manaony. Anisan’izany, i Tsihamoky Rémi, avy any amin’ny ligin’Atsimo Andrefana. Ny tovolahy izay mirefy 1, 92 m. Eo koa ireo mpilalao mirahalahy avy any Menabe dia i Selone Alain sy Rakotozafy Stéphane, izay samy manana halavana, 1, 89 m ary i Andrianaivo Lido, mpilalaon’Antsinanana, mirefy 1, 88 m.

Tsiahivina fa niatrika ny «Tournoi international», nankalazana ny faha-55 taon’ny AS St Michel ny ekipam-pirenena malagasy, ny alarobia lasa teo. Fihaonana tafiditra ihany koa amin’ny fanomanantenan’izy ireo, mialoha ny hiaingany, ny alatsinainy ho avy izao.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.