Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filatsahan-kofidina: Rroa ireo kandidà nanatitra antontan-taratasy teny amin’ny HCC

Filatsahan-kofidina: Rroa ireo kandidà nanatitra antontan-taratasy teny amin’ny HCC

 

Somary malaindaina sy mihisatra na efa hiditra amin’ny andro fahefatra aza. Niampy  iray indray,  taorian’ny kandidàn’ny TGV, Rajoelina ny nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena.

Nahavita ny azy  ary efa nametraka  izany, teny amin’ny HCC koa,  omaly, ny avy amin’ny Antokom-bahoaka (Aba),  manolotra ny Praiminisitra teo aloha, Ravelonarivo Jean ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. “Miantso ny mpifidy izahay mba hijery sy hanamarina  ny lisi-pifidianana dieny izao… Aoka isika ho mailo mandrakariva. Natolotry ny  Aba ny Jly Ravelonarivo Jean, amin’izao fifidianana izao”, hoy ny iraka nametraka izany, Tata Ambroise teny Ambohidahy. Talen’ny fampieleza-kevitra kosa, Ramandimbiarison Zazah.

Tombanana fa mety hiandry fotoana farany tahaka ny mahazatra indray  vao hirodorodo hiaraka amin’ny mpomba sy mpanohana azy, ireo  kandidà, hametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny. Efa fanao sy fahita ary fombantsika hatrany ny tahaka izany. Na izany aza, mety ho antony mampihisatra izany fanaterana antontan-taratasy izany koa ny  fepetra napetraky ny HCC fa tsy azo raisina ary ho voailika ireo kandidà tsy manana antoko politika  ara-dalàna.

Voailika sahady ny Hafari

Anisan’izany ary tsy afaka mifaninana sahady, Rafanomezantsoa Jean Nirina avy amin’ny Hafari satria tsy nahafeno izany mason-tsivana izany. Tara ny fijoroan’ny antokony na ny fikambanany ho ara-dalàna nefa koa tsy mahita olom-boafidy anjatony hanasonia ny haha  kandidà azy koa ny tenany.

Tsiahivina  fa hifarana  ny 21 aogositra izao ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina eny amin’ny HCC.

Synèse R.     

Les commentaires sont fermées.