Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra arovana Tsimanampesotse: lasa « réserve de biosphère de l’Unesco »

Faritra arovana Tsimanampesotse: lasa « réserve de biosphère de l’Unesco »

 

Nosokajina ho « réserve de biosphèrede l’Unesco »  ny faritra arovana Tsimanampesotse- Nosy Ve Androka, araka ny tapaky ny filankevitra iraisam-pirenan’ny fandrindrana ny fandaharanasa Man and biosphère (Mab), nandritra ny fivoriana tany Palembang, Indonezia, ny faran’ny volana jolay lasa teo. Midadasika amin’ny velarana 1 777 019 ha ny valanjavaboary izay mandray ny distrikan’i Toliara III sy Betioky ary Ampanihy andrefana ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ahitana valanjavaboary telo ny faritra arovana : valan’i Tsimanampesotse, Nosy Ve Androka izay samy tantanan’ny Madagascar National park avokoa ary ny faritra arovana Amoron’i Onilahy. Fomba fiasan’ny MNP hatramin’izay ny mampifanindran-dalana ny fitantanana ny faritra arovana sy ny fampandrosoana eny ifotony ahitan’ny mponina tombony. Anisan’ny nahavoasokajy ireo valanjavaboary malagasy ho tafiditra amin’ny tambajotran’ny faritra arovana iraisam-pirenena io fomba fiasa ahitana vokatra mahomby io.

Rehefa voasokajy ho  « réserve de biosphère » ny valanjavaboary iray, telo ny andraikitra sahaniny. Eo ny fiarovana ny zava-mananaina ao anatiny, lasa toerana ahafahan’ny mpikaroka miasa ny valanjavaboary ary farany hitondrana fampandrosoana ho an’ny toekarena sy ny sosialy. Ho an’ny valanjavaboary Tsimanapesotse, mahatratra 90% ny tahan’ny zavamaniry sy ny biby  tsy hita afa-tsy eto amintsika. Manomboka izao, hampihatra ny fomba fitantanana manaraka ny fenitra nomen’ny fandaharanasa MAB ny ao an-toerana ary heverina fa hitondra fampandrosoana haingana ho an’ny faritra misy ny vala.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.