Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famokarana fary: fiaraha-miasan’ny CMCS sy ny Cirad

Famokarana fary: fiaraha-miasan’ny CMCS sy ny Cirad

 

Miroso avy hatrany amin’ny fijerena ifotony ireo toerana heverina fa afaka mamokatra fary eto Madagasikara ny tale jeneraly vaovan’ny CMCS, Rakotomalala Miharisoa, rantsana eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria.

Nandray ireo solontena avy amin’ny Cirad, avy any Montpellier, ity tompon’andraikitra ity.

Voaresaka tamin’izany ny hisian’ny fitsidihana  ireo toeram-pambolena fary ao Nosy be Hell Ville. Hojerena manokana amin’izany ny fambolena ireo zana-pary hafa karazana any amin’ireo  toerana voatokana izay hoentin’ ireo vahiny avy any ivelany.

Tanjona amin’izao fiaraha-miasan’ny Cirad sy ny CMCS ao Nosy Be izao  ny ho fanatsarana ny voly fary eto Madagasikara mba hahazoana vokatra tsara sy azo ahondrana mankany ivelany.

Haparitaka amin’ny toerana maro ny voly fary, manaraka ny kalitao sy ny fitakian’ny firenena hanondranana ny entana.

“Tanjona ny hamokaran’i Madagasikara siramamy ary hahaleo tena ara-bokatra isika ary ho afaka manondrana amina firenena maro mila izany  ka hanaraka ny kalitao izay tadiavina ny vokatra” , hoy hatrany ny tale, Rakotomalala Miharisoa.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.