Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andekaleka: lamasinina nivadika, olona telo maty, ampolony naratra

Andekaleka: lamasinina nivadika, olona telo maty, ampolony naratra

 

 Mbola mitohy hatry ny omaly alina ny fikarohana ireo olona tra-doza tamin’ny fivadihan’ny lamasinina nitondra mpandeha tao akaikin’Andekaleka, omaly tolakandro. Olona telo indray namoy ny ainy, ampolony maro naratra mafy…

Lamasinina iray avy any Brickaville, nitondra mpandeha hihazo an’i Moramanga ity tra-doza tampoka tao akaikin’Andekaleka, omaly tolakandro, ity. Araka ny fampitam-baovao voaray, olona telo tamin’ireo mpandeha no fantatra fa namoy ny ainy, ampolony maro kosa ireo naratra. Mbola ahina kosa ny ain’ireo mpandeha sasany noho ny ratra naterak’ity loza an-dalamby ity, raha ny fampitam-baovao voaray. Teo amin’ny lalana somary miakatra no niendaka tampoka ny vy mampifandray ny lohan’ny lamasinina sy ny wagon nisy ireo mpandeha ka nihemotra avy hatrany ireo wagon taty aoriana raha tafajanona teo amin’ny lalamby kosa ny lohany. Vokany, nianjera tany anaty tevana ireo wagon nitondra ireo mpandeha. Toerana somary saro-dalana ihany vao tonga teo amin’ny faritra nitrangan’ny loza satria mbola miala 40 km eo ho eo miala an’i Beforona RN 2. “Tampoka be mihitsy ny fitrangan’ny loza satria samy tsy nisy nanampo na inona na inona ny mpandeha rehetra tao anaty lamasinina raha tsy ny wagon nivadika no nahataitra ny rehetra. Teo vao samy nikoropaka nanavotra aina ny olona rehetra tao anaty wagon”, hoy ny fitantaran’ny raim-pianakaviana iray isan’ireo mpandeha nahita ny fivadihan’ilay lamasinina. Mpandeha hody hiakatra ao Moramanga sy hiakatra aty Antananarivo ny sasany tamin’ireo niharam-boina. Efa niezaka nifanome tanana tamin’ny famoahana ireo niharam-boina ihany ireo mpandeha sasany avotra tamin’ny loza, niaraka tamin’ny fanampian’ny zandary. Mandeha, araka izany, ny fanadihadiana momba ity loza an-dalamby ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.