Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianana: telo ireo maty  atsy Zimbaboe

Voka-pifidianana: telo ireo maty  atsy Zimbaboe

 

 Io indray i Afrika sy ny korontana amin’ny fifidianana. Telo ireo mpanao fihetsiketsehana maty vokatry ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana. Nidina an-dalambe tsy nanaiky  ny voka-pifidianana  filoham-pirenena sy solombavambahoaka, afakomaly, ny avy amin’ny antoko mpanohitra. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandrava izany tao Harare, Renivohitra, ka izao niteraka fahafetasan’olona  izao. Tsipahin’ny avy amin’ny MDC noho ny ambaran’izy  ireo fa nisehoana hosoka sy tsy fanarahan-dalana izany fifidianana izany. Lasan’ny antokoben’ny fitondrana,  ny Zanu-PF, ny seza 144  eo anivon’ny Antenimiera, araka ny vokatra navoakan’ny vaomieram-pifidianana any an-toerana. 61 kosa ny toerana azon’ny mpanohitra MDC.  Tsy levon’ny vavonin’ireto resy izany ka naneho ny tsy fahafaliany izy ireo, nidina an-dalambe. Raikitra ny tora-bato sy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso.

Etsy andaniny, nifanilihana ny andraikitra manoloana izany faty olona izany. Mbola vao ny voka-pifidianana depiote izao nivoaka  izao. Mbola andrasana kosa ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, ifanandrinan’ny olon’ny filoha  teo aloha, i Mugabe, amin’ny alalan’i  Emmerson Mnangagwa, sy ny kandidàn’ny mpanohitra MDC, i Nelson Chamisa.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.