Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voasakan’ny Emmo/Reg ny Sempama Nosy: tsy namokatra ny diabe sy ny dinika teny Mahazoarivo

Voasakan’ny Emmo/Reg ny Sempama Nosy: tsy namokatra ny diabe sy ny dinika teny Mahazoarivo

 

 Nifarana teo amin’ny sampanan-dalana Fenomanana, omaly, ny diabe nataon’ireo mpitolona ao amin’ny Sempama Nosy, saika hihazo ny lapan’i Mahazoarivo. Efa niatrana teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo/Reg, nanakana azy ireo. Nandeha ny fifampidinihana, ka hoe solontena ihany no mahazo miditra any an-dapa, hanao ny fihaonana amin’ny praiminisitra.

Tsy nahitam-bokany anefa ny dinika nataon’ny solontenan’ny mpitarika ny sendikàn’ny fanabeazana Sempama Nosy sy ny mpanolotsaina niaraka amin’ny talen’ny kabinetran’ny praiminisitra, omaly teny Mahazoarivo. Mitohy, noho izany, ny fitakiana ka hifamotoana eny amin’ny tokotanin’ny minisiteran’ny Fanabeazana indray izy ireo, anio maraina. Nohazavainy tamin’ireo mpiara-miasa amin’ny praiminisitra fa tsy nanao sonia fifanarahana ny sendikà ary mbola mamerina ny fitakiana momba ny tsy tokony hamerana ny taon’ny mpampianatra Fram horaisina ho mpiasam-panjakana. Nanambara ny solontenan’ny Sempama Nosy fa misy zavatra tsy ilana vola fa mitaky finiavana avy amin’ny mpitondra fotsiny nefa tsy tanteraka izany. “Tsy afaka mihoatra ny zavatra efa voalaza rehetra fa hotanterahiny ny fanjakana”, hoy ny tao amin’ny primatiora, omaly.

Taorian’ny fivoriana teny amin’ny minisitera, omaly, tapaka fa hitady fihaonana amin’ny praiminisitra ny mpikambana ao amin’ny sendikà momba ny fitakiana.

Vonjy     

Les commentaires sont fermées.