Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tatitry ny zandary: olona 16 nalaina an-keriny, ny volana jolay teo

Tatitry ny zandary: olona 16 nalaina an-keriny, ny volana jolay teo

 Nahitam-bokany ny hetsiky ny zandary tamin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny volana jolay teo. Nahatratra 118 ny trangana asan-dahalo tamin’ny faritra maro, ka omby 6.000 very tamin’izany, ary ny 3.000 tamin’ireo no tafaverina. Olona 119 kosa tratra tamin’izany raharaha asan-dahalo izany. Nilaza ny kolonely Ravoavy, talen’ny filaminana sy ny angom-baovao eo anivon’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena, fa misy ny hetsika ataon’ny zandary manodidina ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra. “Miisa sivy io hetsika io, atao amin’ny faritra samihafa, ary zandary 350 no manao izany. Vao  omaly no nisy 60 lahy niainga teny amin’ny toby hanampy amin’ny hetsika”, hoy izy. Misy ihany ko ny fanetsehana ny helikoptera amin’izao fotoana izao ary efa nalefa any amin’ireo toerana be dahalo izany.

Tsaratanàna, Malaimbandy…

Momba ny tranga fakana an-keriny ataon’ny dahalo kosa, nilaza hatrany ny kolonely Ravoavy fa misy tranga sivy izany, ka olona 16 nalaina an-keriny, nandritra ny volana jolay. Anisan’izany ny niseho tany Tsaratanàna sy Malaimbandy. Efa misy olona 10 tratra tamin’ireo mpaka an-keriny ka nisy iray maty voatifitra tany Malaimbandy. Anisan’ireo voasambotra ihany koa ireo tratra teny Talatamaty, roa lahy nitsoaka avy any Tsaratanàna. Tratra tany Tsaratanàna ihany koa ny telo lahy, voalaza fa anisan’ny atidoha amin’ity fakana an-keriny ity. Mbola misy ny olona karohina manodidina izany fakana an-keriny izany amin’izao fotoana izao.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.