Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saf FJKM-BNGRC: fiatrehana ny loza voajanahary

Saf FJKM-BNGRC: fiatrehana ny loza voajanahary

 

Miara-miasa ny fikambanana fampandrosoana Saf FJKM sy ny Birao misahana ny fitantanana ny loza voajanahary, BNGRC. Natao teny amin’ny kaominina Ampanefy, distrika Atsimondrano, omaly, ny fanazaran-tena ho an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo na volontera, ao amin’ny Saf FJKM, mikasika ny fiatrehena ny loza voajanahary. Nambaran’ny jeneraly Rambolarson Charles, mpandrindra lefitry ny BNGRC, fa nosafidina manokana ny eny Ampanefy satria kaominina ambanivohitra nefa manakaiky ny Renivohitra. Tratry ny tondra-drano matetika koa ity kaominina ity sy ny eny Soavina satria, vaky foana ny fefiloha ary difotry ny rano ny tanàna.

Anisan’ny natao, omaly ny fitsinjaran’andraikitra ataon’ireo volontera, ny an’ny tekinisianina, ny fampahafantarana ny sokajina loza (mialoha, mandritra, aoriana) ny fiatrehana ny loza, ny fandaminana ny trano fialofana, sns.

Volontera avy any amin’ny faritra

Nambaran-dRtoa Ranaivoniarivo Ieja, mpandrindra nasionaly ny fandaharanasa volontera ao amin’ny Saf FJKM, fa tanteraka ity fiaraha-miasa amin’ny BNGRC ity vokatry ny tohana nataon’ny fikambanana protestanta alemà, Katastrophenhilfe. Nandray anjara tamin’ny andrana teny Ampanefy ny solontena avy any amin’ny faritra ao anatin’ny synoda 12 ahitana ny Saf FJKM. Niofana nandritra ny telo andro izy ireo ary natao, omaly, ny fampiharana. Maherin’ny 10.000 ny volontera Saf FJKM manerana ny Nosy.

Nilaza ny ben’ny Tanàna Ampanefy, Ramiliarison Fabrice, fa ilainay tokoa ity andrana ity satria voadona mafy foana ny tananay, indrindra ny taona 2015 sy ny 2018, nahitana traboina maherin’ny 4.000. Etsy ankilany, hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana sy fanamafisana ny vahilava, tohanan’ny Vondrona eoropeanina ka anisan’izany ny any Ampanefy (360 tapitrisa Ar), Soavina (1,1 miliara Ar) ary Soalandy (300 tapitrisa Ar).

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.