Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolontsaina sy politika: manaraka fomba izay voafidy ho filoha

Kolontsaina sy politika: manaraka fomba izay voafidy ho filoha

 

Nodimbiasan’ny aty aoriana fotsiny ireo natao teo aloha. Nampiasaina ny Vatomasina, natao ny fianianana… Manana fomba amam-panao manan-kasina ny Malagasy ka maninona raha hampanaovina azy ireny izay filoha voafidy eo?

Afaka volana vitsivitsy, hiatrika fifidianana izay ho filoham-pirenena hitondra an’i Madagasikara ny Malagasy manan-jo hanao izany. Raha teo amin’ny tantara, nanatanteraka fianianana teo amin’ny Vatomasina etsy Imahamasina avokoa ireo filoha nifandimby nanomboka tamin’ny niverenan’ny Fahaleovantena. Tsy miova ny toerana fa ny fomba nanatanterahana izany no mety misy maha samy hafa kely azy.

Mbola nilaza ihany koa ny tantara sy ny mpandalina izany fa « tsy nisy fitondrana nanana ny fahamarinan-toerana teto fa saika nahenoana sy nahitana korontana hatrany ». Antony iray sy goavana mahatonga izany ny tsy fanarahana ny fianianana natao sy izay naloaky ny vava nandritra ny fampielezan-kevitra. Zary safo sioka mampandry adrisa avokoa izy ireny satria tsy misy mampifamatotra azy amin’ny vahoaka. Tsy misy mampifandrindra azy amin-Janahary. Lasa endrika ivelany fotsiny ilay fianianana.

Mila manao velirano, miozona, mianiana…

Amina raharaha lehibe tahaka itony, nanana ny fombany ny Malagasy. Manao velirano amin’ny vahoaka, miozona eo anatrehan’ny taranany, manao fianianana manoloana ny Zanahary an-tampon’ny loha, sns. Manana anti-panahy afaka manatanteraka ireo fomba ireo ny Malagasy. Ampahany ihany ireo fa marobe ny fomba azo sy tokony hotanterahin’izay ho filoha voafidy. « Tsy misangy na azo vazivazina ireo fomba ireo ka mendrika ny hotanterahina », hoy ny mpahay fomba. « Raha manana fahasahiana manatanteraka ireny fomba ireny izay filoha ho voafidy eo, antoka iray lehibe ho an’ny Malagasy sahady izany », hoy kosa ireo Malagasy leon’ny fita-bitro sy ny fampanantenana poakaty ataon’ny mpanao politika. Manana ny fombany ny Malagasy kanefa tsy narahina hatramin’izany. Ny antony, tsy fantatra. Ny azo antoka, tsy mbola mahazo laka na fanahy iniana tsy omena toerana ireny fomba sy kolontsaina ireny, hatreto.

Raha toa ve ka ampahafantarina mialoha ireo hilatsaka hofidina ho filoham-pirenena fa hanatanteraka ny fomba malagasy toy ny fiozonana, ny velirano, ny fianianana, sns, izay ho voafidy eo, hisy sahy hirotsaka ve izy ireny ?

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.