Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jo Harimanjato: maneho ny « Fihaonana » an-tsary

Jo Harimanjato: maneho ny « Fihaonana » an-tsary

 

Samy manana ny aingam-panahiny sy ny fomba hanehoany izany ny mpanakanto tsirairay. Nahaliana an’i Jo Harimanjato, tanora manana ny hoaviny eo amin’ny tontolon’ny sary, ny fifandraisan’ny samy olombelona, ny endrika isehoan’izany. Anisan’ny hisongadina izany ao anatin’ny “Rencontres” na “Fihaonana”, fampirantiana tanterahiny etsy amin’ny Is’Art galerie etsy Ampasanimalo, nanomboka omaly.

Araka izany, tsy nijanona tamin’ny fandihinan-tena ny asa nataon’i Jo Harimanjato, ho fanehoana izany fifandraisana izany, fa tsy maintsy notrandrahina tamin’ny fifaneraserana sy ny fifanakalozana na koa fihaonana tanatin’ny fotoana fohy tamin’ny olona tsy fantatra, namana, sns.

Ao anatin’izany fifandraisana izany no ahitana ny maha izy azy ny olona tsirairay: amin’ny fihetsiny, ny fijeriny, ny teniny, sns. Tafiditra lalina ao anatin’ny miafina na “tsiambaratelo”, niainana na koa any am-po sy any an-tsain’ny tsirairay ny fihaonana, tamin’ny alalan’ireo voalaza rehetra ireo.

Ny sary avokoa no hanehoan’i Jo Harimanjato izany. Inoana fa hahaliana ny fampirantiana, izay hita ho miavaka amin’ny maro. Manana herinandro ireo liana amin’ny sary sy te hamantatra bebe kokoa ity mpanakanto ity, amin’ny fanotronana ny fampirantiany, etsy amin’ny Is’Art galerie.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.