Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana: hoesorina tsy ho kandidà ireo manaratsy ny fitantanana

Fifidianana: hoesorina tsy ho kandidà ireo manaratsy ny fitantanana

 

Hoesorina tsy ho anatin’ny lisitra ny kandidà izay nanao fanambarana ampahibemaso manaratsy ny fitantanan-draharaha momba ny fifidianana na ny fitsarana, na izay mikendry hanao tsindry bokotra amin’ireo voatonona ireo, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika.

Hoesorina amin’izany lisitra izany koa ny kandidà manana andraikitra avo sy ny toerana sivily sy miaramila ambony an’ny fanjakana ka tsy nametra-pialana tamin’ny asany. Hivoaka amin’ny 26 aogositra farafahelany izay lisitra kandidà izay. Ny vokatr’izay, fanomezan-dalàna manokana tsy hiasa ho an’ny kandidà miasa amin’ny fanjakana na vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, izay tsy manana andraikitra ambony na manana toerana sivily sy miaramila ambony ao amin’ny fanjakana. Eo koa ny fametraham-pialan’ny kandidà amin’ny asany raha manana andraikitra avo sy ny toerana sivily sy miaramila ambony amin’ny fanjakana izy.

Misy fepetra ny fametrahana ny firotsahan-kofidina

Nanomboka omaly ka hatramin’ny 21 aogositra ny fametrahana eny amin’ny HCC, Ambohidahy, ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Mahazo mametraka izany ny antoko politika na ny vondron’antoko manohana ny kandidà, ny olom-boafidy manohana ny kandidà tsy miankina.

Fepetra manokana ho an’ny vondron’antoko politika ny fanaovana fampahafantarana ny lehiben’ny firaketan-draharaha eo anivon’ny HCC, farafahelany iray andro mialoha, ny hametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ny mpisolo tena voalaza etsy ambony.  Hampahafantarina amin’izany ny anarana sy ny “titre”-n’ny antoko, ny vondron’antoko politika sy ny lisitry ny antoko mpikambana ao anatin’izany vondrona izany.

Misy porofo ny firotsahan-kofidina

Porofon’ny fametrahana ny taratasy firotsahan-kofidina ny rosia manamarina ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina. Porofo fa nahafeno ny fepetra ny kandidà kosa ny rosia farany manamarina fa nekena ny firotsahan-kofidina, ny fahazoan-dalana hanao fampielezan-kevitra, ny fametraham-pialan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta izay nirotsaka ho kandidà. Rehefa tsy feno ny fepetra voalaza etsy ambony, mamoaka fanapahan-kevitra fandavana ny firotsahan-kofidina ny HCC.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.