
Tsy niandry ela. Nanao be fiavy nihazo ny eny amin’ny foiben-toeran’ny antoko TGV eny Alarobia ireo fikambanana sy vondrona samihafa. Naneho fahavononana hanohana ny mpanorina ny IEM, Rajoelina, izy ireo ary nanao dina fa tsy hivadi-belirano. Resy lahatra ireto fikambanana na olobe ireto ka nanapa-kevitra fa hany afaka hanavotra ny firenena sy hanala ny vahoaka amin’izao fahantrana izao ny kandidàn’ny TGV. Teo ohatra ny ampanjaka sy sojabe ary tangalamena avy amin’ny faritra maro. Tahaka izany koa ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Nihaino ny olan’izy ireo sy ny hetahetany ny kandidà Rajoelina.
Anisan’ny efa niantso ny haha kandidà azy ny avy amin’ny TMH. Eo koa ny GMMAR sy ireo hafa mbola ho avy eny an-toerana.
Tsy vitan’izany fa marobe, tahaka izany, koa ireo vondrona sy fikambanam-behivavy avy any amin’ny faritra ny mirodorodo mangataka fihaonana amin’ny vadin’ny mpanorina ny IEM, Rajoelina Mialy.
Hifanome tanana hijery ny ho avin’ny firenena
Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny kandidà Rajoelina, afakomaly tetsy Mahamasina, ny tsy maha kandida an’antoko azy. “Kandidàn’ny vahoaka malagasy iray manontolo. Mangataka anareo rehetra aho hifanome tanana amiko, na inona na inona antoko na fikambanana misy anareo, na inona na inona finoanareo satria hojerena ny hoavin’i Madagasikara. Tsy maintsy mandresy isika rehetra ary hanavotra ny firenena”, hoy izy.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.