Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Fier-Mada 2018”: nampiseho ny vokany ny tantsaha tohanan’Ambatovy

“Fier-Mada 2018”: nampiseho ny vokany ny tantsaha tohanan’Ambatovy

 

 Miisa fito ny kaoperativa tantsaha nahazo tohana tamin’ny tamin’ny tetikasa Ambatovy, mandray anjara amin’ny foara “Fier-Mada” andiany faha 20. Hetsika tanterahina etsy amin’ny tanàna Voara Andohatapenaka, ny 1 aogositra hatramin’ny 5 aogositra.

Miisa 400 ny tranoheva eny amin’ny “Fier-Mada”, andiany faha-20, ahitana ny vokatra eto an-toerana vokarin’ny Malagasy. Manana tranoheva telo ny mpiara-miombon’antoka amin’Ambatovy, izay mizara roa. Voalohany, ho an’ny vondrona kaoperativa fito avy any amin’ny distrikan’i Brickaville, mampiseho ny vokany toy ny katsaka, ny sakaitany (sakamalaho), ny zana-kazo, sns. Nambaran-dRtoa Félicia, filohan’ny vondrona, fa mponina nafindra ny faritra manamorona ny fantsombe andalovan’ny akoram-potaka miainga avy any Ambatovy Moramanga hatrany Toamasina izy ireo. Notohanan’Ambatovy ary nanao tetikasam-pampandrosoana. Ny masomboly, ny zezika, ny fampiofanana mikasika ny fambolena sy fiompiana ary, nikarohana lalam-barotra. Ankehitriny, afaka manondrana sakaitany sy tamotamo hatrany amin’ny 20 taonina isan-taona izy ireo. Nilaza koa izy fa tsy mitsoaka miakatra an-tanàn-dehibe intsony ny tanora any Brickaville fa efa mifototra amin’ny fambolena sy ny fiompiana.

Avadika ho zezika ny tain’akora

Tsy misy very intsony koa ny tain’akora avy nahodina nakana ny nikela sy ny kobalta vokarin’ny Tetikasa Ambatovy fa avadika ho zezika. Hita ao amin’ny tranoheva faharoa hiantohan’ny tetikasa Ambatovy ny “Madasul”. Fanaovana zezika sy provandy ary ny Ethanol, amidy mora izy ireo. Nambaran-dRakoto Rabevazaha Joel, tompon’andraikitra mitazona ny tranoheva, fa tsy mijanona eto amin’ny firenena malagasy fotsiny ny vokatra fa efa  miparitaka hatrany ivelany. Fanehoana ny vokatra vita malagasy izany. Anisan’ny nahasarika ny mpitsidika ihany koa ny tranoheva fahatelo tohanan’Ambatovy, ahitana zana-kazo fihinamboa, kely dia misy voany.

Sajo sy Njaka A.

Les commentaires sont fermées.