Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fasan’ny Karana: niala tamin’ny taksiborosy, lehilahy iray nahatrarana basy telo

Fasan’ny Karana: niala tamin’ny taksiborosy, lehilahy iray nahatrarana basy telo

 

 Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana ilay lehilahy nahatrarana basy miisa telo teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy eny amin’ny Fasan’ny Karana, ny talata teo…

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mahamasina, tamin’io fotoana io teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy eny amin’ny Fasan’ny Karana ity lehilahy ity noho ny fihazonana basy vita gasy tsy nahazoana alalana. Araka ny fanazavan’ny polisy, nigadona tamin’ny taksiborosy teny amin’ny fiantsonana eny amin’ny Fasan’ny Karana izy, ny talata tamin’ny 2 ora sy 30 mn tolakandro. Taksiborosy avy any Ambositra no nandehanany tamin’io fotoana io. Nampidina entana ny mpanampy ny mpamily, saingy nisy kitapo iray tsy nisy nety nandray mihitsy na efa niantsoantso izay mety ho tompony aza ilay mpampidina entana. Fotoana fohy taorian’izay anefa, nisy lehilahy iray saika haka ilay entana, saingy noho ny fahitany ny fisian’ireo polisy teo amin’ny manodidina dia tsy noraisiny indray ilay entana. Noho izany, somary nisitaka kely sy nanao tazan-davitra ny fihetsik’ireo polisy izy. Vao niala tokoa ireo polisy, noraisiny haingana ilay entana teo ambony fitoeran’entana. Hitan’ireo polisy anefa izy naka ilay entana. Nampiahiahy ireo polisy anefa izany fihetsiny izany ka tapa-kevitra hisavana ny entany ireo polisy. Nirifatra nitsoaka avy hatrany anefa izy raha vao nahatazana ireo polisy nanatona azy ka raikitra ny fifanenjehana. Tratra tsy lavitra ny fiantsonana ihany izy ka nahitana basy PA iray vita gasy sy bala maromaro ary basim-borona vita gasy miisa roa tao anatin’ilay kitapo nandritra ny fisavan’ny polisy. Nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy momba ny nahazoany ireo basy sy ny saika hampiasany azy ary ireo mpiray tsikombakomba aminy amin’izao trafikana fitaovam-piadiana izao. Niaky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.