Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ceni: “Misy ihany ny azo atao mialoha ny fampielezan-kevitra” 

Ceni: “Misy ihany ny azo atao mialoha ny fampielezan-kevitra” 

 

 Mbola adihevitra be ny momba  ny mialoha ny fampielezan-kevitra amin’izao hiatrehantsika ny fifidianana  izao. Nitondra fanazavana momba izany ny  eo anivon’ny Ceni.

“Ho anay Ceni, ny 30 andro voalazan’ny lalàna ny fotoana ahazoana manao fampielezan-kevitra. Ny dikan’izay, raha vao miresaka hoe fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana: tsy ara-dalàna izay. Ny fiomanana mialoha ny fampielezan-kevitra ny hoe fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra.”

Izay ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, momba ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra sy ny hoe fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ahoana ny lalàna mifehy izay fe-potoana fiomanana mialoha ny fampielezan-kevitra izay? Raha ny lalàna malagasy, tsy misy ny mamaritra ny fe-potoana hahazoana manao ny asa mialoha ny fampielezan-kevitra. Tsy misy didy mamaritra izay azo atao amin’izany.

Misy ny fanao sy fahita any ivelany…

Raha ny fanao sy ny fahita any ivelany, zavatra telo no azo atao amin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra: voalohany, ny fanambarana amin’ny vahoaka fa mpirotsa-kofidina ny tena. Tsy fampielezan-kevitra izany fa fampiomanana ny olona sahady amin’ny fampielezan-kevitra ho avy.

Faharoa azo atao, ny fitetezam-paritra hananganana na hanetsiketsehana ireo fikambanana sy antoko raha efa misy izay hanohana, rehefa tonga tokoa ny fampielezan-kevitra. Tsy amin’ny fampielezan-kevitra vao hatao izany.

Fahatelo, aoka tsy horaisina ho fampielezan-kevitra fa fanao any ivelany: ny fanazavana ny vinam-piarahamonina eritreretina hitondrana ny firenena raha voafidy ny tena. Izay ny maha antoko politika ny antoko politika. Tsy hahazo fahazoan-dalana hijoro ao amin’ny minisiteran’ny Atitany ny antoko politika iray, raha tsy maneho fa manana vinam-piarahamonina. Tokony ho fantatry ny vahoaka izany ny vinam-piarahamonin’ny antoko politika tsirairay avy.

“Raha mihoatra ireo zavatra telo ireo, efa tena fampielezan-kevitra: raha miteny fa ny ahy ny tena mety, fidio aho, ohatra, ary mizara tee-shirt… “, hoy izy.

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.