
Anisan’ny fanambin’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, tarihin’ny filohany, Rasolomalala Fidy, ny hanitatra ny seksiona. Hotanterahina izany ka tapaka fa seksiona 4 no hatsangana. Anisan’izany ao Vakiniadiana, Ankazobe, ny any Anjozorobe ary ny any Andramasina.
Hisy ny fanentanana sy fananganana ny komity amin’izany. Hotanterahina ny asabotsy 11 aogositra ho avy izao ny ao Manjakandriana , efa misy klioba efatra. “Mila miditra ao anaty rafitra federaly ireo klioba sy mpilalao satria tsy misy fivoarana azo atao, ivelan’izany. Hiezaka hanampy amin’ny fitaovana sy eknika ary vola ny tetikasa, ny ligy”, hoy ny filohany. Hisy avy hatrany fihaonana fanentanana amin’izany.
Etsy andaniny, hiditra amin’ny andro farany, ny alahady ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka, sokajy U14 sy ny “veteran”, lahy sy vavy. Hamoahana ireo hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao any Nosy-Be, ny faran’ny volana aogositra ho avy izao izany.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.