
Saron’ny polisy “centrale” tarihin’ny komisera Razafindahy Manitra Fleurys, ao Toamasina, ny alahady lasa teo tany amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Ambolomadinika ny raim-pianakaviana iray avy any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsarasambo, distrikan’ i Vatomandry, niaraka tamina taolam-paty milanja 5 kilao.
Raha ny loharanom-baovao, tsy nazavazava tamin’ireo mpandeha niaraka taminy avy tany Tsarasambo ilay rangahy ka nampandre polisy momba io olona io ry zareo. Nametraka
vela-pandrika, noho izany, ny polisy ary natao haingana ny fisavana ny entany raha vao niala teo amin’ny fiantsonana izy. Hita tao amin’ny fonosan’ entany ny taolan-dava milanja 5 kilao. Natolotra ny fampanoavana izy ary naiditra vonjimaika avy hatrany am-ponja, taorian’ny fanadihadiana azy.
Mpandraharaha fonja ahiahina
Manodidina ity resaka ity, misy ny ahiahin’ny mponina any Antetezambaro, lalam-pirenena fahadimy, noho ny resaka nandeha tany an-toerana, vao tsy ela akory izay. “Izahay ety aloha, miahiahy mafy fa efa nisy mpianatra mpandraharaha fonja sy efa am-perinasa tonga teto
aminay nanontany sao hoe mahita mpividy taolam-paty fa manana izy ireo”, hoy ny fitantaran’ny vavolombelona iray nanatona mpandraharaha fonja ao Antetezambaro. Noho io loharanom-baovao io, anatin’ny fanaraha-maso tanteraka ireo mpandraharaha fonja miasa sy miofana ao Antatazambaro ny mpitandro filaminana.
Sajo
Les commentaires sont fermées.