Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

14 aogositra ny CEPE: efa tonga any amin’ny Dren ny laza adina

14 aogositra ny CEPE: efa tonga any amin’ny Dren ny laza adina

 

Tsy nihemotra ny fanjakana na eo aza ny fandrahonana ataon’ny mpikambana amin’ny sendikà sasany tsy handray anjara amin’ny fanadinana.

Efa manomboka tonga any amin’ireo Dren manerana ny Nosy ny laza adina ho an’ny fanadinana CEPE. Mizotra tsara ny fanomanana ny fanadinana any amin’ireo rantsa-mangaika isam-paritra, na eto anivon’ny minisitera foibe. Ho an’ireo toerana lavitra, efa vita ny fanapariahana ny laza adina fa ho an’ny akaiky, toy ny eto Analamanga sy ny any Vakinankaratra, amin’ity herinandro ity no hanatanterahana izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, i Tsitoara Serge.

Mbola nanamafy rahateo ny fitazonana ny daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana roa, ny CEPE sy ny BEPC, ny tale jereralin’ny fanabeazana ao amin’ny minisitera, i Beatrefona Patrice, ny alarobia hariva teo. Ny talata 14 aogositra ny CEPE, ny alatsinainy 3 septambra ka hatramin’ny alakamisy 6 septambra kosa ny BEPC. Ho fitsinjovana ny ray aman-dreny efa lany vola tamin’ny fampianarana sy ny mpianatra ny anton’ny fanapahan-kevitra. Vonona hanome tanana amin’ny fikarakarana ny fanadinana ny tomponandraikitry ny sekoly tsy miankina.

Ho an’ny sekoly tsy miankina, ireo kilasy manomana fanadinana sisa miatrika ny famerenana sy ny toromarika avy amin’ny mpampianatra. Mifarana, anio amin’ny fomba ofisialy, ny taom-pianarana 2017-2018. Hiditra amin’ny fialan-tsastra lehibe ny mpianatra eny amin’ny sekoly tsy miankina. Mbola manao “rattrapage” ireo eny amin’ny sekolim-panjakana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.