Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Valiha: hitombo isa ny mpampianatra

Valiha: hitombo isa ny mpampianatra

 

Fanamby napetrak’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny foibe fikarohana sy fampianarana mozika « Valiha Académie », eo ambany fiahian’ny Zanabaliha ny hanitatra sy hanabe voho ny tontolon’ny valiha. Fantatra izao fa hamoaka mpampianatra valiha ity foibe ity. Nandalo dingana roa lehibe ary manatanteraka ny dingana fahatelo ankehitriny ireto hivoaka ho mpampianatra ireto. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana nandritra ireo dingana roa ireo fianarana ny valiha sy ny tsiambaratelony, ny fampiharana ny solfezy amin’ny valina, sns.

Nomarihin’ny tompon’andraikitry ny fampianarana eo anivon’ny Zanabaliha fa ireto mpampianatra valiha ireto no andiany voalohany havoakan’ny « Valiha Académie ». Nohamafisiny hatrany fa « Na efa fotoana ela ihany aza ny niorenan’ny Zanabaliha, izay izahay vao hamoaka mpampianatra. Mila fototra matanjaka vao mampianatra noho izy io asa saropady ».

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.