Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsaratanàna: nisy voasambotra indray ireo mpaka an-keriny

Tsaratanàna: nisy voasambotra indray ireo mpaka an-keriny

 

Mitohy ny fanadihadiana manodidina ny fakana an-keriny tany Tsaratanàna. Efa tafakatra efatra ny trangana fakana an-keriny tany an-toerana, ary valo ny fitambaran’ny olona efa nalain’ny jiolahy. Anisan’izany ireo efa-dahy mpiasan’ny Kraoma, tovovavikely 15 taona, rangahy mpivaro-mandeha iray. Fantatra fa misy ny olona voasambotra indray amin’ireo olon-dratsy. Tsy mbola nanome vaovao momba izany ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Efa nisy ireo olona fito ireo tratra teo alohz izay nahitana vehivavy telo. Nisy ihany koa ny fihainoana vavolombelona maromaro tamin’izany. Efa mipetraka rahateo ny fitoriana momba ireo olona ireo. Nisy ny fitantarana nataon’ny depioten’i Tsaratanàna momba ny fifanakalozana vola tamin’ireo dahalo ka anisan’ny ilain’ny mpitandro filaminana ny fahalalana izany. Ireo olona nifandray tamin’ireo jiolahy, sns. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.