Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Olona iray maty voatifitra: rehefa tsy nahita omby, notafihin’ny dahalo ny tanàna

Olona iray maty voatifitra: rehefa tsy nahita omby, notafihin’ny dahalo ny tanàna

 

Indray nanafika tao an-tanànan’Ambatolahy ny dahalo efa ho 50 lahy nirongo basy mahery vaika sy zava-maranitra, kaominina ambanivohitr’i Ranomafana, afakomaly hariva. Olona iray maty voatifitra…

Olona iray maty, iray hafa naratra mafy voakapa famaky. Io ny vokatry ny fanafihan-dahalo eo ho eo amin’ny 50 lahy nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika sy zava-maranitra tao amin’io tanàna io. Nanao andiany maro mihitsy ry zalahy, nandritra ity fanafihana ity. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, saika hangalatra omby ireto andian-dahalo tamin’io fotoana io satria efa nahazo loharanom-baovao mialoha ireo dahalo fa misy omby anarivony maro handalo eo amin’ity toerana ity, saingy efa lasa mialoha ny nahatongavan’ireo dahalo ny omby ka tezitra, noho izany, ry zalahy ka nanampatra ny hatezeran’izy ireo tamin’ireo mponina ao an-tanàna. Vokany, notafihin’izy ireo ny tanàna satria tsy nahitany omby. Trano miisa dimy sy trano roa fivarotana enta-madinika no nanamparan’izy ireo ny hatezerany ka notafihin-dry zalahy. Olona iray niharan’ny tifitra variraraka nataon’ireo dahalo raha voakapa famaky kosa ny olona iray hafa. Nihorohoro tanteraka ny mponina ao an-tanànan’Ambatolahy, nandritra ity fanafihan-dahalo ity. Lasan’ireo malaso tamin’izany ny vola 3 600 000 Ar. Nahazo antso avy amin’ny mponina ao an-tanàna ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’i Ranomafana ka nanara-dia avy hatrany. Tokony ho tamin’ny 6 ora sy 30 mn, nisy ny fifampitifirana teo amin’ireo dahalo sy ny zandary, saingy tafaporitsaka nihazo any avaratry ny valan-javaboahary ao Ranomafana ny lalan’ireo dahalo. Tsy nisy voatifitra kosa ny avy amin’ny zandary. Mitohy ny fanarahan-dia ireo dahalo satria efa tonga any an-toerana ireo zandary hanao “renfort” amin’ny fikarohana ireo malaso.

J.C

Les commentaires sont fermées.