Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsaram-bahoaka, halatra taolam-paty: hanao hetsika manokana ny zandarimariam-pirenena

Fitsaram-bahoaka, halatra taolam-paty: hanao hetsika manokana ny zandarimariam-pirenena

 

 Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ny firongatry ny halatra lavanila, ny fitsaram-bahoaka, ny halatra taolam-paty, indrindra any amin’iny faritra Sava iny, nisy ny toromarika  avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), ny Jly Randriamanarina Jean Christophe, nandritra ny fidinana nataony tany amin’ny faritra Sava. Nambarany fa “ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana isika izao, inona ny ataonay mba hisian’ny fitoniana ka hahafahan’ny rehetra mifidy?”, raha vantany vao tonga tao Sambava tamin’izao diany izao izy. Nohamafisiny fa tsy maintsy haverina ny filaminana ao Sava ary manerana an’i Madagasikara izany. “Tsy maintsy hanaovanay hetsika arakaraka izay zavatra mavaivay na ny resaka fakana an-keriny, na taolam-paty na ny hafa koa”, hoy hatrany ny Seg. Nanamafy hatrany ity tompon’andraikitra ambony voalohany eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity fa hiady manokana amin’ny resaka halatra lavanila sy ny fitsaram-bahoaka izy ireo. Efa nisy ny fifampizarana andraikitra teo amin’ny polisim-pirenena amin’ny fitandroana ny filaminana an-drenivohitra fa ny zandary kosa, hisahana ny any ambanivohitra. Faritra anisany malaza amin’ny halatra taolam-paty sy ny fanaovana fitsaram-bahoaka rahateo iny faritra Sava iny ka antony nahatonga ny zandary hanao ity hetsika manokana ity. Tonga tany an-teorana niaraka tamin’ny Seg ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Antsiranana, ny Kly Behivoka. Tanjona napetraky ny zandarimaria koa ny hanafoanana ny halatra lavanila.

J.C

Les commentaires sont fermées.