Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitoniana amin’ny fifidianana: hampanao sata ho an’ireo kandidà ny CFM

Fitoniana amin’ny fifidianana: hampanao sata ho an’ireo kandidà ny CFM

 

“Manao antso avo ireo mpisehatra politika, indrindra ireo hirotsaka ho kandida, mba ho ao anatin’ny toe-tsaina malagasy no hanaovana ny fifidianana: amim-pirahalahiana mba tsy hisian’ny disadisa sy ny sahotaka eto amintsika.”

Io ny nambaran’ny filohan’ny Komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM), Maka Alphonse, teny Ampefiloha, afakomaly, momba ny fiatrehana ny fifidianana mba ho ao anatin’ny filaminana sy fitoniana tanteraka.

Tsy vitan’ny hoe kabary fotsiny izay fampanjakana ny filaminana sy fitoniana amin’ny fifidianana izay, fa tsy maintsy arahina asa. “Hanatona ireo kandida izahay, rehefa tafapetraka soa aman-tsara ireo kandida ofisialy”, hoy izy.

Ny amin’izao, mbola fikasana ny ankamaroany: milaza fotsiny sa tena hanao? Rehefa havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lisitr’ireo kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repobilka, hanatona azy ireo ny CFM.

 Efa misy ny volavolana sata avy aty amin-dry zareo hifampiresahana amin’ireo kandidà. Karazana sata hisian’ny fahatoniana amin’ny fifidianana mba hisian’ny fifanajana ao anatin’ny fitoniana hiatrehana ny fifidianana izany.

Azo atao izay tsy voararan’ny lalàna

“Azo atao rehefa tsy voararan’ny lalàna. Izay no tokony hojerena”, hoy izy momba ny hoe fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Misy ireo fe-potoana feran’ny lalàna amin’ny fahazoana manao fampielezan-kevitra.

Tsy fampielezan-kevitra ny fampahafantarana ny fandaharanasa, araka ny fanazavany. Asa tokony hataon’ny mpanao politika andavanandro izany. Raha mpanao politika mendrika ny anarany, ary tokony hanana ny foto-kevitra ijoroany sy ny fandaharanasany ny antoko politika: tsy amin’ny fotoam-pifidianana ihany izy no tokony hanao an’izay.

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.