Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fandraofana fako: niova mpiara-miasa ny Samva

Fandraofana fako: niova mpiara-miasa ny Samva

 

« Tsy nisy nandraoka ny fako teny amin’ny toerana fanangonana azy ireny, ny asabotsy sy alahady lasa teo satria niova mpiara-miasa ny Samva ka niteraka ny fivangongoan’izy ireny, mihoatra ety ivelan’ny daba manokana », hoy ny tale jeneralin’ny Samva, Rakotoarivony William, omaly. Mbola vao mianatra ny fampandehanana ny fandraofana fako ny mpiara-miasa vaovao ka sahirana kely. Tombanana tsy hivangongo intsony hatramin’ny faran’ny herinandro ny fako satria miasa tsy ankiato ny fiarabe misahana izany.

Ao anatin’ny iray andro, mahatratra  4 000 t ny lanjan’ny fako mivoaka avy amin’ny tsena sy ny tokantrano rehetra eto an-dRenivohitra. Manantombo izany rehefa tonga ny fahavaratra miaraka amin’ny ranon’orana sy ny fahavokaran’ny voankazo maro.

Olana natsidiky ny tomponandraikitra koa ny tsy fanajan’ny mponina ny ora fanariana fako ka mahatonga ny toerana fanatobiana tsy afaka fako mihitsy, mandritra ny tontolo andro.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.