Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andiany fahavalo: ho tsara no ho ny teo aloha ny “Gilitabe”

Andiany fahavalo: ho tsara no ho ny teo aloha ny “Gilitabe”

 

 Mametraka fanamby ny Gasy Events, fa ho afa-po tanteraka ireo ho avy etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny alahady izao. Tafiditra anatin’ireo hetsika zavakanto, efa manana ny maha izy azy, ny “Gilitabe”. Fotoana hanomezan-danja manokana ny gitara izy ity. Andiany fahavalo ny hotanterahina ny alahady izao. Manome toky ny mpikarakara fa ho tsara lavitra no ho ny teo aloha ity indray mitoraka ity. Mipetraka hatrany ny fibahanan’ny feon-gitara. Nezahina ho tsara kokoa kosa ny fisafidianana ireo hira: hira malagasy nanana ny lazany, tany aloha tany, tsy mifidy gadona, nohiraina teny ambony tamboho teny, saingy homena loko hafa mihitsy amin’ny fampiarahana azy amin’ny gitara. Anisan’izany, ohatra, ny “Lazao”, hiran’ny tarika Iraimbilanja, tsy zovina intsony amin’ny tontolon’ny rock. Toy izany koa ny “Ikalakely”, vazon’i Samöela, fanta-daza amin’ny vazo miteny.

Hampiavaka ity andiany ity koa ireo mpanakanto notsongaina hiaka-tsehatra. Misy ireo efa teo foana hatramin’ny nisian’ny “Gilitabe”. Anisan’izany i Lily sy i Zovin. Ao koa anefa ireo sambany vao handray anjara, toa an’i Samöela sy i Davis. Marobe ireo mpanakanton’ny “Gilitabe” andiany fahavalo ary singanina amin’izany ry Inah, Fara Gloum, Mahery, Luc, Gothlieb, Kiady, Rija Ramanantoanina, Tselonina, Benny, sns.

Hira manodidina ny 60 be izao no efa nomanina hoentina an-tsehatra. Izany hoe, haharitra adiny dimy hatramin’ny adiny fito ny fiarahana, arakaraka ny fangatahan’ny mpijery.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.