Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anaty fety i Nosy Be: nitarika ny « carnaval Somaroho ! » i Wawa

Anaty fety i Nosy Be: nitarika ny « carnaval Somaroho ! » i Wawa


« Sahiko ny miteny aminareo fa anisan’ny goavana indrindra sy niavaka iny « carnaval » androany iny », hoy Rajerison Jean Louis, filohan’ny komity mpikarakara ny « Festival Somaroho ! » eto Nosy Be. Goavana tokoa raha oharina amin’ireo andiany teo aloha ny fanokafana ny fety tamin’ity andiany faha-5 ity.

Vao tolaka ny andro, nifanitsakitro teny amoron’ny araben’i Hell-Ville. Tsy nifandrenesana ny mozika isan-tokony, satria samy niezaka nisarika ny maso sy ny sofin’ny mpitazana ireo mpandray anjara tamin’ny « carnaval ». Loko marevaka sy manintona, fitafiana miavaka, fihetsika sy dihy mirindra efa voaomana mialoha, sns, no nifandimby, nanomboka teny Amboanara ka hatreny amin’ny kianjan’Ambodivoanio.
Satria naka endrika fifaninanana ny « carnaval », tsy nitsitsitsitsy mihitsy ireo mpandray anjara. Tazana tao ireo efa malaza toy ny Zana Gasy, ny Jazz Failone, ny Kosovo, ny Tatie Chris, sns. Eo koa ireo nisalotra ny lokon’ny Telma, mpanohana ny hetsika.
Niavaka indrindra tamin’ireo mpandray anjara anefa ny fiara iray, nitondra ny fiketrahan’ny mpanjaka : i Wawa io, izay sambany nitarika ny « carnaval » hatramin’izay nisian’ny « Sômaroho ! ».
« Maro ny lalana nodiavina nandritra izay taona maro izay. Isaorako anareo vahoakan’i Nosy Be, nanohana ahy hatrany, izany. Mila tsy ho vita ny fikarakarana azy ity, saingy noho ianareo manome hery anay handroso hatrany. Nanao fanamby taminareo aho tamin’ny taon-dasa fa tsy maintsy tongako eto Nosy Be ny iray amin-dry Kassav sy ry Diamond. Izy ireo no afaka tamin’ity, ary miaraka amina tarika vahiny hafa toa an-dry One People sy ry Daphne. Tsy latsa-danja amin’izany kosa anefa ireo mpanakanto malagasy, nosafidinareo handray anjara », hoy ny nambaran’i Wawa, nandritra ny kabary fanokafana ny « Festival Somaroho ! » eto Ambodivoanio, omaly. Fotoana iray nanehoany ampahibemaso voalohany ny zanany lahy izay vao teraka ihany koa izany.
Nitohy tamin’ny alim-panidihizana ofisialy, nafanain’i Wawa sy i Daphne, izany ny alina. Hifandimby an-tsehatra sady hanokatra ny andiam-pampisehoana kosa anio ry Lico Kininike Stephanie, Ariane, Ngiah Tax, Flash B ary Daphne.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.