Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Kidnapping », asan-jiolahy mahery vaika: 23 voasambotra, maty ny roa, voatonona indray i Lama

« Kidnapping », asan-jiolahy mahery vaika: 23 voasambotra, maty ny roa, voatonona indray i Lama

 

 Hatramin’ny volana jolay, nanombohan’ny polisy ny hetsika « Opération force de frappe », voasambotra ny jiolahy malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny miisa 23. Raha efa voatana any am-ponja ny 11 amin’ireo, maty voatifitra, nandritra ny fanenjehana azy, ny roa. Voatonona indray, omaly, ny anaran’i Lama, anisan’ny tena raindahiny amin’ny “Raharaha « kidnapping »”, efa tamin’ny taona 2004.

Manoloana ny firongatry ny fakana an-keriny miseholany tato ho ato, isan’ireo voatonontonona ho ao ambadik’ity raharaha fakana an-keriny ity ny anaran’i Lama, ilay jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny nalaza, ny taona 2004, niaraka tamin-dry Mahandry sy ny namany”, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny ady heloka bevava, ny kaomisera Rakotondrasoa Jean de Matha, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly. Nanomboka ny 20 jolay 2018 lasa teo, nisy hetsika manokana “Opération force de frappe” nataon’ny polisim-pirenena hiadiana amin’ny asan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika ka ao anatin’izany ny raharaha fakana an-keriny. Nahitam-bokany izany satria miisa 23 ny jiolahy indray voasambotra ka lavon’ny polisy nandritra ny fifampitifirana teny Ambatomaro sy Ambohidroa ny roa lahy. Tratra niaraka tamin’ireto jiolahy ireto ny basy Patt calibre 7,62 mm, PA marque unique 7,65mm, Revolver, basim-borona ary basy PA vita gasy niaraka tamin’ny bala maromaro, fiara fampiasan’izy ireo rehefa maka an-keriny miisa dimy, odigasy. Nahitana telefaonina finday miisa enina koa tany amin’izy ireo. Nohamafisin’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava hatrany fa isan’ny tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny ny PDG Caromad, tompon’ny toeram-pivarotana volamena Kalidas Analakely, ny DG-n’ny Ocean Trade, i Rashi Chandarana, i Yanish Ismaël, izy ireo.

Tratra koa i Dida Vazaha…

Fantatra fa efa migadra ankehitriny ny jiolahy miisa 11 amin’ireo 23 voalaza etsy ambony ankoatra ireo ka natolotra ny fampanoavana omaly. Anisan’ny anenjehana ireto jiolahy raindahiny ireto: ao anatina fikambanan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika, ny fikasana haka an-keriny ary teo am-panomanana fakana an-keriny ny tompon’ny quincaillerie iray ao Besarety. Tratra tany Ambatolampy koa ny sasany amin’ireto jiolahy ireto. Nohamafisin’ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) fa isan’ireo voasambotra koa i Dida Vazaha, isan’ireo malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana maromaro teto an-dRenivohitra, toy ny teny Andravoahangy.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.