Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina: jiolahy maty voatifitra teo am-panolanana

Toamasina: jiolahy maty voatifitra teo am-panolanana

Nitrangana fanafihan-jiolahy indray tao amin’ny fokontany Ambolomadinika Toamasina, ny zoma alina hifoha asabotsy teo. Nidiran’ny jiolahy miisa enina an-keriny nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny tokantrano iray.  Voalazan’ny loharanom-baovao fa niandry teo ivelany ny telo raha niditra tao an-trano kosa ny telo hafa. Raha vao niditra tao an-trano ireo, niandry ilay raim-pianakaviana tamin’ny basy ny roa sady nandrahona ilay renim-pianakaviana vadiny mba hamoaka ny vola rehetra  ao an-trano. Nony efa azon-dry zalahy anefa ny vola, tsy nanaiky izy ireo fa mbola naolan’ireo roa lahy koa ilay renim-pianakaviana. Tsy faly tamin’ny fihetsika nataon’ireo roa lahy namany anefa ilay jiolahy iray niandry ilay raim-pianakaviana tamin’ny basy ka norarafany tamin’ny tifitra variraraka ilay jiolahy nanolana ilay renim-pianakaviana. Vokany, maty tsy tra-drano ilay jiolahy vao 19 taona. Tsy nahafantatra anefa ny fianakaviany fa hoe nanao asan-jiolahy ity maty voatifitra ity raha tsy izy efa maty izao. Ny fanadihadiana hatrany no nahafantarana fa mitovy ny vodim-bala nitifirana mpivarotra fahana teo amin’ny tetezana Morarano sy ny ny vodim-bala nitifiran’ny namany ity jiolahy ity.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.