Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Rallye Mangoro”: voalohany ny ekipazy Rivo sy Ando

“Rallye Mangoro”: voalohany ny ekipazy Rivo sy Ando

Nafana, na tao anatin’ny hatsiaka mamanala aza, ny niainan’ny vahoakan’Alaotra Mangoro ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, familiana fiarakodia “Rallye Mangoro”. Fifaninanana, nokarakarain’ny klioba Tasamm sy ny Fanalamanga. Nandrombaka ny laharana voalohany ny ekipazy nisy an’i Rivo sy i Ando, mitondra ny fiara Subaru Impreza, avy amin’ny klioba FMMSAM. Tontosany tao anatin’ny  ora 1 sy 47 mn 27, 8 s ny hazakazaka. Tombony ho azy mirahalahy ny fahaizana niangaly ny fotoany, tao anatin’ireo dingana manokana “ES”. Porofon’izany, notazonin’izy ireo hatrany ny lohany, tamin’ireo “ES” telo farany.

Na izany aza, nanakaiky azy teo hatrany i Tahina sy i Tahiana, avy amin’ny klioba Asacm, nitondra Subaru Impreza ihany koa. 1 mn 15, 5 s monja ny nampisaraka azy ireo. Teo amin’ny laharana fahatelo i Rina sy i Herizo, avy amin’ny Asa Tana, nitaingina ny fiara Renault Megane. Marihina fa tsy anisan’ireo tonga hatramin’ny farany i Boana sy i Miangaly, izay nitarika teo amin’ny “ES 2”. Niala noho ny fahasimbana teknika ireo ekipazy ireo. Nanao “sortie de route” kosa i Yves sy i Lanja.

Fiara miisa 17 no tonga hatramin’ny farany, tamin’ity “Rallye Mangoro” ity. Lasan’i Rivo sy i Ando izany ny tapakila handehanana any Maorisy, loka tamin’ity. I Freddy sy i Jimmy kosa ny nahazo ny tapakila mankany La Réunion, izay natao antsapaka.

Tsiahivina fa nahatratra 80 ny isan’ny amboara nozaraina, tamin’ity.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.