Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rajoelina tao Sambava: “Hampandrosoana ny firenena anaty fotoana fohy ny IEM”

Rajoelina tao Sambava: “Hampandrosoana ny firenena anaty fotoana fohy ny IEM”

Azo ampandrosoana an’i Madagasikara ao anatin’ny fotoana fohy ny IEM. Ny asa vita ao anatin’ny dimy taona no holazaina sy hatao. Tonga eto aho hihaino ny hetahetanareo hahafahantsika mandrafitra tetikasa hamahana ny olana misy eto. Azo  atao tsara ny mampandroso ny firenena ao anaty fotoana fohy. Efa nitantana firenena aho nandritra ny dimy taona. Tsy mitady fahefana sy voninahitra ary vola ny  tenanay”, hoy ny  filohan’ny Tetezamita, Rajoelina, nanoloana ny vahoakan’  Sambava, vory marobe ny asabotsy teo tany an-toerana. Nanteriny fa ilaina ny    tanora manana vina, tia tanindrazana sy mitsinjo ny vahoaka. “Ampio aho hahafahako manampy anao fa ataontsika mandroso i Madagasikara ary tsy maintsy mandroso koa i Sambava”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa tsy mahay mihatsaravelatsihy ny tenany.  Ny avy ao am-po sy ny tokony hatao no tenenina ary tanterahina. Nitondrany vahaolana ny fahatapahan’ny jiro any Sambava sy ny halafosan’izany ka nilazany fa efa ao anatin’ny IEM izany. “Efa misy tetikasa hitondrana herinaratra avy amin’ny rivotra sy avy amin’ny masoandro. Efa novolavolaintsika nandritra ny taona maro ny IEM. Nieritreretana ny vahaolana hoentina hampandrosoana an’i Madagasikara izahay nandritra ny efa-taona sy tapany Nitady vahaolana isika” , hoy ihany izy.

Fitakiana ny haha kandidà ny mpanorina ny IEM

Notsiahiviny ny hopitaly manara-penitra isaky renivohim-paritany fony fitondrana  Tetezamita. Nampanantena ny tenany fa mbola betsaka ny tetikasa hatao any amin’iny faritra iny, indrindra ny momba ny vokatra lavanila.

Anisan’ny nivoitra tamin’ny hetahetan’ireo nandray fitenenana ny fiantsoana ny haha kandidà ho filoham-pirenena ny mpanorina ny IEM, Rajoelina. Nambaran’ny depiote Rahelihanta Jocelyne, kosa fa efa ela ny niandrasana ny fahatongavan’ny filohan’ny Tetezamita any an-toerana. Nasongadiny fa mila olona niomana ny fitantanana ny  firenena satria efa hita ny fijalian’ny vahoaka.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.